mihitsy anefa I RAOZY GASY satria izy no manome ny aingam-panahy rehetra : Poety mantsy ny lehilahy.
Tamin'ny resaka nifanaovany tamin'ny namana tao amin'ny koolsaina.com no nahafantaranay fa mbola tany amin'ny kilasy T8 ny lehilahy dia efa nanoratra tononkalo, saingy nihevitra izy tamin'izany fa ny ankizivavy ihany no hiaviam-betso hany ka tsara afina ilay cahier zato pejy feno rima mahavariana.
Tsy mitsahatra ny manoratra tononkalo andro aman'alina I Raozy Gasy ka raha te ahafantatra azy misy misy koakoa ianao dia vangivangio ny http://vetso.serasera.org/news/raozigasy fa tsy ho diso fanantenana ianao.
Laza Baleda Gasy Tsy Very
Na ho fotsy fihodirana, fa notsatsoin’ny hatsiaka
Na hiteny teny hafa, noho ny fiampitana riaka
Na hiaina fivoarana, noho izato fandrosoana
Dia Malagasy foana ianao, izany tsy azonao soloina
Na ho vazaha ny taratasy, ka ny anaranao vaovao
Na ho ary fomba be mihitsy , ny kojakojan-tranonao
Na hiadana am-pitaovana, noho ireo karazan’hai-tao
Dia tsarovy foana foana fa mbola Malagasy ianao
Na ho vazaha ny namanao, any am-piasana sy birao
Na ho vazaha ny serasera sy ireo fifandraisanao
Na ho vazaha ny fangatahana ao anaty vavakao
Dia tadidio fa Malagasy ny ra mikoriana anatinao
Koa ho anao Ramalagasy, izay nandao ny firenena
Izay rehetra mila ravin’ahitra, noho ny adidy izay nekena
Dia tsotra ny hafatra sy teny, ampitaina sy zaraina
Malagasy foana ianao, raha mbola velona sy miaina
Tononkalon'i Haja Lalaina Gasy Tsy Verin'I Rome