Miadia Daholo Ry Malagasy.
Na dia tsy izany aza no tena fanalavàna an'ireo litera ireo, dia mazava fa toy ny fanaovana tsinontsinona ireo mahery fon'ny 1947 izao korontana iainan'ny Nosintsika izao.
Dia rariny tokoa ve rehefa hoe avy niady tamin'ny vazaha mpanjanatany isika , raha isika samy isika indray no hifanosika sy hifandàka àry hifamono toa ny valala an-karona ? Na tamin'ny taona 1972, na 1975, na taona 1991, 2002, ary indrisy ankehitriny , taona 2009, dia tsy nitsahatra ny niboiboika sy niraraka àry nandoto arabe ny ràn'ny Malagasy.
Ampangaina fa tsy mahavita azy avokoa izay filoha mitondra...Ary ny mahazendana dia Filoha finidin'ireto vahoaka izany fa tsy olona tongatonga ho azy teo.
Mitovy hatrany ny toe-java mitranga: rehefa leon'ny menomenon'ny vahoaka ny mpitondra dia mitifitra. Vita izay dia mody mivavaka. Ny ''Zanahary ô! Tahio" amin'ny zany tsy misy farany intsony.
Hoy aho matetika hoe: mba ''ataovy sérieux" amin'izay ny fiainam-pirenena fa manjary ny vahoaka mahantra no mihinan'ny tadiny é!
Asa aloha! Amereno ariary aho raha misy madinika any aminao.
Laza Baleda.
Gasy mitady ho very raha izao no mitohy.