Vao vita ny fampisehoana dia hoy aho tamin-dRavorondreo hoe: "ity ny taratasy, ento any aminy sipamalalako any! Lazao azy fa nitorajofo ny vovoka tao amin'ny Esapace Omega ka nanjary nisy bal tao Toulouse...Mandra-paharainan'ny andro."
Mahery ireo bandy ireo
Tao ry zalahy é! Ry MAHALEO! Ny tsy mpankasitraka milaza fa efa mankaleo kanefa dia efa 35 taona izao ry zalahy no nirevy sy nampirevy ny vahoaka malagasy sy ny vahoaka eran-tany mihitsy aza.
Raoul-Dama- Fafa-Nono-Dadà-Charles-Bekoto, tsy mpitaingin-tamboho ireo na dimbaka mameno ny elan-kelan-trano (ilay natahoran'i zanak'i Mama Lenina) fa tena olona manana ny maha izy azy avokoa. Ny hira sy ny mozika no mandravaka ny asa aman-draharahan'ny mpikambanana ao amin'ny Tarika Mahaleo. Ny feo mangan-dry zareo ihany koa no mbola mandrindra ny asa sôsialy iandraiketan'ny tsirairay : ady amin'ny habadoana sy fahantrana; fampandrosoana ny eny ambanivohitra sy ny fahadiovan'ny tanàna.
Tsy adino ny mpikarakara
Tao amin'ny Espace Omega tao Toulouse izany no namaranan'ny Tarika Mahaleo ny fankalazana ny faha 35 taonany.Ho an'ny mpikarakara tao Toulouse dia deraina manokana ingahy Frank RAVAKA tompon'ny Discothèque l'Ile Rouge sy ny mpiara miasa aminy rehetra: Rado, Dj Dinas, Murcia, Ny, Rondro, noho ny fandaminana sy fanatontosana ny zava-dehibe toy izao. Na nisoritra teny amin'ny endrika aza ny havizanana, ny hafaliana nahavita zava-tsoa mbola mihoatra izany.
Arahabaina koa i ngahy JaoBarison,lehiben'ny Media Consulting,izay nisahana ny ''tournée mondiale'' nataon'i Mahaleo; tsy adino ireo mpiara miasa teo amin'ny lafiny teknika dia i Ny Aina Rasolojaona mpandrindra ny SONO LIVE, Nary Ny Railovy,Rivo ary indrindra Ramatoakely Magali.
Hira tsy lany manja
" Tsy hamelanay ianareo androany" hoy i Dama! Izay angaha no solon'ny arahaba? Fa vao nanomboka kosa ny rindran-kira dia ny vahoaka indray no tsy namela ny tarika Mahaleo: Tsy nisy na iray mantsy tsy niredona izay hira natolotra.Fa ny tena nahafinaritra ahy dia ny nahita ireto vazaha mpanatrika izay tsy nisalasala akory mba nikalo ny tononkira izay voasoratra tery amin'ny rindrina tamin'ny alalan'ny "prompteur" izay nobaikon'ingahy Jaobarison.
35 taona lasa izay no nandaozanao ahy sy ireto "zanantsika dimy" kanefa dia "ianao no nofidiako re rahavako". "Mihodikodina" anefa ny tany ry "kala ratsy ity" ka zaho "tsy miraharaha" satria indray mandeha "manta vary", sanatria tsy handevin-tsotrobe.Ka Rehefa lasa "ny andro ririnina" , ho "somambisamby" ny faravodilanitra, ka amin'zay fotoana izay hitsoka ny "rivotra" hanadio ny "tontolo iainana".Indro hamelana ny "Mimoza"; ho vokatra ihany koa "voasary" sy ny "paiso rà-kena" ka ho feno azy ny "karabrosy".Amin'izay fotoana izay dia "nenina" sisa ao am-ponao satria izaho sy i "Vololona" efa lasa any "Marovoay".
Matezà ry zalahy ny aina ho tratry ny 35 tao manaraka indray a!
Ny gasy tsy very é!
Laza Baleda