Fety Gasy
Na fety ''mahazatra'' na fety ''noforonina", dia fomba iray mampiavaka ny Malagasy aty am-pita ny ''fety gasy". Ka na fetim-piangonana, na fihaonana ara-panatanjahantena, na alim-pandihizana, na ''3ème mi-temps" vita lamesa", na taom-baovao, sns...rehefa te-hifankahita ny malagasy dia manao fety gasy.
Ireny ''fety gasy'' ireny mantsy mba fotoana vitsivitsy ao anatin'ny taona mba hifangaroan'ny Malagasy mpiray tanindrazana. Hifampiresahana amin'ny tenin-drazana (teny gasy). Ankafizana sy hihainoana àry hiventesana ny hira vokatry ny tany. Hihinana ihany koa sakafo gasy...Indraindray aza hisotroana toaka gasy mihitsy. Ankoatra ny fahoriana izay, indrisy, zava-mitranga ihany koa aty am-pita, dia toa lasa ''fety gasy avokoa ny fihaonan'ny mpiray tanin-drazana'' .
FetiN-gasy
Ankehitriny ny ''fety gasy'' dia ''Bizina" goavana tokoa ho an'ireo izay mikarakara satria rehefa nandinika ny fetsifetsy dia nahita fa zavatra tokana no iraisan'ny Malagasy aty am-pita dia tsy inona fa ny ''embona sy hanina ny tanindrazana". Noho izany dia matetika lasa dridrangilo ny ''soirées gasy'', andoavam-bola mazava ho azy...miha-betsaka ireo mpiantoka artista malagasy hakana tombony... Ny fandaminana anefa tsizarizary hany ka tsy misy maminy intsony ny fiarahana satria : ''ny vola miditra ho an-dry zalahy...ny fahafinaretana anefa tsy azo.''
- Ratsy ny ''sono'' , hoy ny anankiray.
- Nasiso ny lasary, hoy ny sasany.
- Tsy araka izay nifanarahana ny vola azonay hoy ny artista nanafana ny fety.
Raha manao '' fombaN-gasy" ny mpikarakara, na manao ''toetraN-gasy'' ihany koa, dia tsy halaza intsony ny FETY GASY satria lasa FETIN-GASY...
Asa anefa aloha...amereno ariary aho raha misy madinika any aminao.
LazaN-GASYTSYVERY.